2 Kings 10:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, vorio ho atỳ amiko ny mpaminanin’ny Baala rehetra, ny mpanompony rehetra sy ny mpisorony rehetra; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray akory aza; fa hamono zavatra betsaka ho fanatitra ho an’ny Baala aho; koa na iza na iza tsy ho tonga dia tsy hovelomina izy. Kanjo hevi-petsy nataon’i Jeho izany mba handringanany ny mpanompon’ny Baala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny vorio hankatỳ amiko avokoa ny mpaminanin’i Baala rehetra sy ny mpanompony rehetra, ary ny mpisorony rehetra: aza misy tsy tonga na dia iray aza, fa hanatitra sorona lehibe amin’i Baala aho, ka tsy hovelomina izay tsy tonga na iza na iza.» Kanjo hafetsena no nanaovan’i Jehò izany, handringanana ny mpanompon’i Baala. Hoy i Jehò:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ankehitriny, vorio eto amiko avokoa ny mpaminanin ’i Bahala sy ny mpivavaka aminy ary ny mpisorony; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray aza, fa hanao fety lehibe hanaovan-tsorona amin’i Bahala aho. Koa izay rehetra tsy tonga dia hatao maty. Kanjo hafetsena no nanaovan’i Jehò izany mba handringanana ireo mpivavaka amin’i Bahala.
Malagasy Bible 1865
Koa ankehitriny vorio ho atỳ amiko ny mpaminanin'i Bala rehetra, ny mpanompony rehetra sy ny mpisorony rehetra; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray akory aza; fa hamono zavatra betsaka ho fanatitra ho an'i Bala aho; koa na iza na iza tsy ho tonga, dia tsy hovelomina izy. Kanjo Jeho nanao izany ho fihendrena handringanany ny mpanompon'i Bala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, vorio ho atỳ amiko ny mpaminanin’ny Baala rehetra, ny mpanompony rehetra sy ny mpisorony rehetra; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray akory aza; fa hamono zavatra betsaka ho fanatitra ho an’ny Baala aho; koa na iza na iza tsy ho tonga dia tsy hovelomina izy. Kanjo hevi-petsy nataon’i Jeho izany mba handringanany ny mpanompon’ny Baala.
malagasy