2 Kings 10:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandefa iraka tany amin’ny Israely rehetra i Jeho ka tonga ny mpanompon’ny Baala rehetra; tsy nisy lehilahy tsy tonga teo na dia iray akory aza. Dia niditra tao amin’ny tempolin’ny Baala ireo ka feno hipoka ny trano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandefa iraka tany amin’i Israely rehetra i Jehò, ka tonga avokoa ny mpanompon’i Baala rehetra tsy nisy nijanona ka tsy tonga, na dia iray aza. Niditra tao an-tranon’i Baala izy ireo, ka feno ny tranon’i Baala hatrany aloha ka hatrany aoriana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nandefa iraka tamin’i Israely manontolo i Jehò, ka tonga avokoa ny mpivavaka amin’i Bahala fa tsy nisy tsy tonga na dia iray aza. Ary niditra tao an-tempolin’i Bahala ireo, ka feno hika ny trano.
Malagasy Bible 1865
Ary Jeho naniraka tany amin'ny Isiraely rehetra, ary dia tonga ny mpanompon'i Bala rehetra, ka tsy nisy lehilahy tsy tonga teo na dia iray akory aza. Ary dia niditra tao an-tranon'i Bala ireo, ka feno hika ny trano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandefa iraka tany amin’ny Israely rehetra i Jeho ka tonga ny mpanompon’ny Baala rehetra; tsy nisy lehilahy tsy tonga teo na dia iray akory aza. Dia niditra tao amin’ny tempolin’ny Baala ireo ka feno hipoka ny trano.
malagasy