2 Kings 10:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nankao amin’ny tempolin’ny Baala i Jeho sy i Jonadaba, zanak’i Rekaba, ka niteny tamin’ireo mpanompon’ny Baala hoe: Savao ary jereo tsara, fandrao misy mpanompon’NY TOMPO eo aminareo, fa tsy ny mpanompon’ny Baala ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tamin’izay dia tonga tao an-tranon’i Baala i Jehò niaraka tamin’i Jônadaba zanak’i Akaba, ka hoy izy tamin’ny mpanompon’i Baala: «Karohy ary zahao, mba tsy hisy mpanompon’i Iaveh ato aminareo, fa ny mpanompon’i Baala ihany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa izany dia nankao an-tempolin’i Bahala i Jehò sy i Jônadaba zanakalahin’i Rekaba; ka i Jehò no niteny tamin’ireo mpivavaka amin’i Bahala hoe: –Hamarino tsara mba tsy hisy mpivavaka amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely aminareo ireo, fa mpivavaka amin’i Bahala ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary Jeho sy Jonadaba, zanak'i Rekaba, nankao an-tranon'i Bala ka niteny tamin'ny mpanompon'i Bala hoe: Fantaro tsara sy izahao, fandrao misy mpanompon'i Jehovah eto aminareo, fa tsy ny mpanompon'i Bala ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nankao amin’ny tempolin’ny Baala i Jeho sy i Jonadaba, zanak’i Rekaba, ka niteny tamin’ireo mpanompon’ny Baala hoe: Savao ary jereo tsara, fandrao misy mpanompon’NY TOMPO eo aminareo, fa tsy ny mpanompon’ny Baala ihany.
malagasy