2 Kings 10:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niditra izy rehetra hanolotra fanatitra samihafa alatsa-dra sy fanatitra dorana manontolo. I Jeho kosa dia efa nametraka valopolo lahy tao alatrano ka nitenenany hoe: Raha misy afa-mandositra ny olona izay nentiko ho eo an-tananareo, izay mamela azy handeha dia ny ainy no hisolo ny ainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa tafiditra izy ireo hanatitra sorona sy sorona dorana, dia nametraka valopolo lahy tao alatrano Akora i Jehò nanao hoe: «Raha misy olona mitsoaka amin’ireo olona apetrako eo an-tananareo ireo, dia hisolo aina azy izay nandefa azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo ivelan’ny tempolin’i Bahala dia nametrahan’i Jehò miaramila valopolo lahy izay nilazàny hoe: «Hatao eo an-tananareo ireo olona ireo; koa raha misy aminareo mamela handositra ny anankiray amin’ireo, dia izy no hatao maty hisolo ilay nandositra.» Dia nandroso hanolotra ny sorom-pihavanana sy sorona dorana manontolo i Jehò sy i Jônadaba.
Malagasy Bible 1865
Ary nony niditra hanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà izy, Jeho kosa dia nametraka valo-polo lahy teo ala-trano ka nanao hoe; Raha misy afa-mandositra ny olona izay nentiko ho eto an-tananareo, izay mamela azy handeha, dia ny ainy no hisolo ny ainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niditra izy rehetra hanolotra fanatitra samihafa alatsa-dra sy fanatitra dorana manontolo. I Jeho kosa dia efa nametraka valopolo lahy tao alatrano ka nitenenany hoe: Raha misy afa-mandositra ny olona izay nentiko ho eo an-tananareo, izay mamela azy handeha dia ny ainy no hisolo ny ainy.
malagasy