2 Kings 10:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa vita ny fanolorany ny fanatitra dorana manontolo dia hoy i Jeho tamin’ny mpiambina sy ny mpanampy: Midira ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka! Dia namely azy tamin’ny lelan-tsabatra ireo; ary ny mpiambina sy ny mpanampy dia nanary ny faty ary niditra tao amin’ny tanàna nisy ny tempolin’ny Baala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao tapitra ny fanaterana ny sorona dorana, dia hoy i Jehò tamin’ireo mpihazakazaka sy manamboninahitra: «Midira, vonoy ireo, ka aza asiana iray tafavoaka!» Dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra ireo; narian’ny mpihazakazaka sy ny manamboninahitra teo ireo; dia niditra tao amin’ny fitoerana masin’ny tranon’i Baala izy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa vita izany, dia hoy i Jehò tamin’ny miaramila sy mpifehy azy: –Midira ka vonoy ho faty tsy hisy miangana ireo na dia iray aza! Dia nasian’ny miaramila tamin’ny lelan-tsabatra ireo, ka nariany tany ivelan’ny tanàna ny fatiny. Avy eo ireto miaramila dia niverina tao amin’ny faritra nisy ny tempolin’i Bahala.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, dia hoy Jeho tamin'ny mpiambina sy ny mpanafika malaza: Midira, ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka. Dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra izy; ary ny mpiambina sy ny mpanafika malaza dia nanary ny faty ary niditra tao amin'ny tanàna nisy ny tranon'i Bala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa vita ny fanolorany ny fanatitra dorana manontolo dia hoy i Jeho tamin’ny mpiambina sy ny mpanampy: Midira ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka! Dia namely azy tamin’ny lelan-tsabatra ireo; ary ny mpiambina sy ny mpanampy dia nanary ny faty ary niditra tao amin’ny tanàna nisy ny tempolin’ny Baala.
malagasy