2 Kings 10:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa hoy NY TOMPO tamin’i Jeho: Satria efa nanao soa ianao tamin’ny nanaovanao izay mahitsy teo imasoko sady efa nataonao tamin’ny taranak’i Ahaba araka izay rehetra tao am-poko, dia hitoetra amin’ny sezafiandrianan’ny Israely ny taranakao hatramin’ny zafindohalika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Jehò: «Noho ianao nanatanteraka tokoa izay mahitsy eo imasoko sy nanao tamin’ny tranon’i Akaba araka izay rehetra tao am-poko, ny zanakao hatramin’ny taranaka fahefatra kosa, dia hitoetra eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa hoy ny TOMPO tamin’i Jehò: –Satria tsara ny nanaovanao izay mahitsy teo imasoko sy ny nampiharanao tamin’ny taranak’i Ahaba ny famaizana noeritreretiko, dia hitoetra eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely hatramin’ny taranaka fahefatra ny taranakao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Jeho: Satria efa nanao soa ianao tamin'ny nanaovanao izay mahitsy eo imasoko sady efa nataonao tamin'ny taranak'i Ahaba araka izay rehetra tao am-poko, koa dia hitoetra amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ny taranakao hatramin'ny zafindohalika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa hoy NY TOMPO tamin’i Jeho: Satria efa nanao soa ianao tamin’ny nanaovanao izay mahitsy teo imasoko sady efa nataonao tamin’ny taranak’i Ahaba araka izay rehetra tao am-poko, dia hitoetra amin’ny sezafiandrianan’ny Israely ny taranakao hatramin’ny zafindohalika.
malagasy