2 Kings 10:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny lehiben’ny tandapa sy ny lehiben’ny tanàna ary ny loholona sy ireo mpitaiza dia nandefa iraka tany amin’i Jeho hilaza hoe: Mpanomponao izahay; koa izay rehetra ampanaovinao anay dia hataonay. Tsy hanangana mpanjaka izahay, fa izay sitraky ny fonao ihany no ataovy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia naniraka olona ny lehiben’ny tao an-dapa, ny komandin’ny tanàna, ny loholona mbamin’ny toniany, hilaza amin’i Jehò hoe: «Mpanomponao izahay, ka izay rehetra holazainao no hataonay, fa tsy hanangana olona ho andriana izahay na iza na iza; izay sitraky ny fonao no ataovy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampitondra izao valin-teny izao ho an’i Jehò ilay lehiben’ny tandapa sy ilay mpanapaka ny tanàna mbamin’ireo loholona sy ireo mpanabe nanao hoe: «Mpanomponao izahay ka vonon-kanao izay rehetra andidianao anay; ary tsy hanangana olona ho mpanjaka izahay, koa ataovy izay sitrakao.»
Malagasy Bible 1865
Ary ny lehiben'ny tandapa sy ny mpanapaka ny tanana ary ny loholona koa sy ireo mpitaiza naniraka tany amin'i Jeho nanao hoe: Mpanomponao izahay, koa izay rehetra andidianao anay dia hataonay; tsy hanangana andriana izahay, fa izay sitraky ny fonao ihany no ataovy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny lehiben’ny tandapa sy ny lehiben’ny tanàna ary ny loholona sy ireo mpitaiza dia nandefa iraka tany amin’i Jeho hilaza hoe: Mpanomponao izahay; koa izay rehetra ampanaovinao anay dia hataonay. Tsy hanangana mpanjaka izahay, fa izay sitraky ny fonao ihany no ataovy.
malagasy