2 Kings 10:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanoratra taratasy taminy indray i Jeho nilaza hoe: Raha miandany amiko ary ianareo ka hankatò ny teniko dia tapaho ny lohan’ireo zanakalahin’ny tomponareo ary mankanesa atỳ amiko atỳ Jezirela rahampitso toy izao. Tamin’io izy fitopolo lahy zanaky ny mpanjaka dia tao amin’ireo lehiben’ny tanàna izay nahabe azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanoratra taratasy fanindroany ho any amin’izy ireo i Jehò nanao hoe: «Raha momba ahy sy mihaino ny feoko ianareo, alao ny lohan’ireo lehilahy, zanaky ny tomponareo, ka tongava atỳ amiko atỳ Jezrahela rahampitso toy izao.» Tao amin’ny lehiben’ny tanàna, izay nitaiza azy, izy fitopolo lahy, zanaky ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanoratra taminy fanindroany i Jehò nanao hoe: «Raha momba ahy tokoa ianareo ary mankato ny baikoko, dia tapaho avokoa ny lohan’ireo taranaky ny tomponareo, ka ento atỳ amiko atỳ Jizrehela rahampitso toy izao.» Izy fitopolo lahy taranaky ny mpanjaka dia voatsinjara tamin’ireo olom-baventin’ny tanàna izay nitaiza azy avy.
Malagasy Bible 1865
Dia nanoratra taratasy taminy indray Jeho nanao hoe: Raha ahy ary ianareo ka hankatò ny teniko, dia tapaho ny lohan'ireo zanakalahin'ny tomponareo, ary mankanesa atỳ amiko atỳ Jezirela rahampitso toy izao. Ary izy fito-polo lahy zanaky ny mpanjaka dia tao amin'ireo lehiben'ny tanàna, mpitaiza azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanoratra taratasy taminy indray i Jeho nilaza hoe: Raha miandany amiko ary ianareo ka hankatò ny teniko dia tapaho ny lohan’ireo zanakalahin’ny tomponareo ary mankanesa atỳ amiko atỳ Jezirela rahampitso toy izao. Tamin’io izy fitopolo lahy zanaky ny mpanjaka dia tao amin’ireo lehiben’ny tanàna izay nahabe azy.
malagasy