2 Kings 10:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tonga ny iraka ka nanambara taminy hoe: Indro, efa noentina ny lohan’ireo zanakalahin’ny mpanjaka. Dia hoy i Jeho: Angony ho toko roa eo anoloan’ny vavahady izany mandra-paharain’ny andro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nampandre azy izany ny iraka, nanao hoe: «Nentiny ny lohan’ny zanaky ny mpanjaka»; ka hoy izy: «Ataovy roa toko mifanongoa ao anoloan’ny vavahady izany, mandra-pahamarain’ny andro.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nisy iraka tonga nanambara taminy ny nitondrana ireo lohan’ny taranaky ny mpanjaka ireo. Ary hoy i Jehò: –Ataovy toko roa mifanongoa eo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna mandra-paharain’ny andro ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary tonga ny iraka ka nanambara taminy hoe: Indro, efa nitondra ny lohan'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy. Ary hoy Jeho: Ampifanongoavy ho roa toko eo anoloan'ny vavahady mandra-pahamarain'ny andro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tonga ny iraka ka nanambara taminy hoe: Indro, efa noentina ny lohan’ireo zanakalahin’ny mpanjaka. Dia hoy i Jeho: Angony ho toko roa eo anoloan’ny vavahady izany mandra-paharain’ny andro.
malagasy
Ary tonga ny iraka ka nanambara taminy hoe: Indro, efa nitondra ny lohan'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy. Ary hoy Jeho: Ampifanongoavy ho roa toko eo anoloan'ny vavahady mandra-pahamarain'ny andro.