2 Kings 11:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hitan’i Atalia, renin’i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny taranaky ny mpanjaka rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hitan’i Atalia renin’i Okoziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak’andriana rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa hitan’i Hatalià renin’i Ahazià fa maty ity zanany lahy, dia niroso nandringana ny taranak’andriana rehetra izy.
Malagasy Bible 1865
Ary nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty ny zanany dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak'andriana rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony hitan’i Atalia, renin’i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny taranaky ny mpanjaka rehetra.
malagasy
[Ny nanjakan'i Atalia, sy ny namonoana azy, ary ny nampanjakana an'i Joasy handimby azy] Ary nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty ny zanany dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak'andriana rehetra.