2 Kings 11:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noentin’i Joiada nivoaka ny Trano ny zanakalahin’ny mpanjaka ka nosatrohany ny satroboninahitra ary notolorany ny Vavolombelona. Nampanjakainy sy nohosorany izy, ary nitehaka ny olona ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naroson’ny mpisorona ny zanaky ny mpanjaka, ka nataony teo aminy ny diadema sy ny vavolombelona. Natsangany ho mpanjaka izy, ary nohosorany, ka sady nitehaka ny olona no niantso hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay dia navoakan’i Jôiadà i Jôasy zanakalahin’i Ahazià, ka nampisatrohina ny satroboninahitra maha-mpanjaka sady notolorana ny raki-tsoratra momba ny zo aman’andraikitry ny mpanjaka; ary nohosorany menaka izy hanokanana azy ho mpanjaka, koa dia nitehaka ny olona sy niantsoantso hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»
Malagasy Bible 1865
Dia nentin'i Joiada nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nosatrohany ny satro-boninahitra izy, dia notolorany ny Vavolombelona; ka dia nampanjakainy sy nohosorany izy, ary ny olona nitehaka ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noentin’i Joiada nivoaka ny Trano ny zanakalahin’ny mpanjaka ka nosatrohany ny satroboninahitra ary notolorany ny Vavolombelona. Nampanjakainy sy nohosorany izy, ary nitehaka ny olona ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
malagasy
Dia nentin'i Joiada nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nosatrohany ny satro-boninahitra izy, dia notolorany ny Vavolombelona; ka dia nampanjakainy sy nohosorany izy, ary ny olona nitehaka ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka![Dia ny Didy Folo]