2 Kings 11:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitany fa indro nitsangana teo amin’ny lampihazo araka ny fomba fanao ny mpanjaka, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan’ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno trompetra; dia nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! Fikomiana!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nijery izy ka inty ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny lampihazo araka ny fanao. Teo anilan’ny mpanjaka ny lehibe sy ny mpitsoka trômpetra, ary faly ny vahoaka rehetra, ary nitsoka trômpetra ny olona. Dia nandriatra ny fitafiany i Atalia, ka niantso hoe: «Teti-dratsy! Teti-dratsy!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana araka ny fanao tambonin’ny lampihazo; ary ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany. Nifaly ny vahoaka rehetra ary nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika; fa i Hatalià kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»
Malagasy Bible 1865
Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana toy ny fanao, ary ny andrian-dahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno ny trompetra; dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitany fa indro nitsangana teo amin’ny lampihazo araka ny fomba fanao ny mpanjaka, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan’ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno trompetra; dia nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! Fikomiana!
malagasy