2 Kings 11:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nandidy ny mpifehy zato, lehiben’ny miaramila i Joiada mpisorona ka niteny taminy hoe: Avoahy eny ivelan’ny laharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin’ny sabatra. Fa ny mpisorona dia efa nandrara hoe: Aza vonoina ao amin’ny tranon’NY TOMPO izy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay i Jôiadà mpisorona nanome didy ny tompon-jato mpifehy ny foloalindahy ary nilaza taminy hoe: «Ento izy eo anelanelan’ny laharanareo hivoaka ny trano, ary vonoy amin’ny sabatra izay manaraka azy na iza na iza.» Satria ny mpisorona efa nilaza hoe: «Aza vonoina eto an-tranon’i Iaveh izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Jôiadà mpisorona moa efa nandrara ny hamonoana ho faty an’i Hatalià ao an-tranon’ny TOMPO, ka dia nomeny baiko ny kapiteny mpifehy miaramila ary nilazany hoe: –Avoahy any ivelany any i Hatalià ka ampandalovy eny anelanelan’ny laharanareo; ary izay manaraka azy dia vonoy ho faty amin’ny sabatra.
Malagasy Bible 1865
Fa Joiada mpisorona nandidy ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, ka nanao taminy hoe: Avoahy eny ivelan'ny laharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin'ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe Aza vonoina ao an-tranon'i Jehovah izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nandidy ny mpifehy zato, lehiben’ny miaramila i Joiada mpisorona ka niteny taminy hoe: Avoahy eny ivelan’ny laharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin’ny sabatra. Fa ny mpisorona dia efa nandrara hoe: Aza vonoina ao amin’ny tranon’NY TOMPO izy!
malagasy