2 Kings 11:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny vahoaka rehetra dia niditra tao amin’ny tempolin’ny Baala ka nandrava azy; ny alitara sy ny sarin-javatra teo aminy dia notorotoroiny tanteraka ary novonoiny teo anoloan’ny alitara i Matana, mpisoron’ny Baala. Ary nanendry ny olona ho mpitandrina ny tranon’NY TOMPO ny mpisorona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny vahoaka rehetra tamin’ny tany dia niditra tao amin’ny tranon’i Baala ka noravany; ny ôtely aman-tsary nomontsaniny, ary i Matàna mpisoron’i Baala novonoiny teo anoloan’ny ôtely. Nony nametraka mpiambina tao amin’ny tranon’i Iaveh
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia niditra tao an-tempolin’i Bahala ny besinimaro ka nandrava azy: nomontsaniny tanteraka ireo alitara sy ireo sarivongan-tsampy, ary novonoiny ho faty teo anoloan’ny alitara i Matàna mpisoron’i Bahala. Tamin’izay koa no voatendrin’i Jôiadà mpisorona ireo olona hitandrina ny tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vahoaka rehetra niditra tao an-tranon'i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra teo aminy dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron'i Bala, novonoiny teo anoloan'ny alitara. Ary ny mpisorona nanendry ny ho mpitandrina ny tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny vahoaka rehetra dia niditra tao amin’ny tempolin’ny Baala* ka nandrava azy; ny alitara sy ny sarin-javatra teo aminy dia notorotoroiny tanteraka ary novonoiny teo anoloan’ny alitara i Matana, mpisoron’ny Baala. Ary nanendry ny olona ho mpitandrina ny tranon’NY TOMPO ny mpisorona.
malagasy
Ary ny vahoaka rehetra niditra tao an-tranon'i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra teo aminy dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron'i Bala, novonoiny teo anoloan'ny alitara. Ary ny mpisorona nanendry ny ho mpitandrina ny tranon'i Jehovah.