2 Kings 11:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nalainy ny mpifehy zato sy ny Kariana ary ny mpiambina mbamin’ny vahoaka rehetra dia noentina nidina avy tao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka, ary avy teo am-bavahadin’ny mpiambina no nalehany hankao an-tranon’ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin’ny sezafiandrianan’ny mpanjaka izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
i Jôiadà mpisorona, dia nalainy avokoa ny tompon-jato, ny Karianina, ny mpihazakazaka, mbamin’ny vahoaka rehetra tamin’ny tany, ka nentiny nidina avy ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka, dia niditra tao an-dapan’ny mpanjaka tamin’ny vavahadin’ny mpihazakazaka, ka nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’ny mpanjaka i Jôasa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novorin’i Jôiadà ny kapiteny sy ny Karianina ary ny miaramila mpiambina hafa mbamin’ny vahoaka rehetra; ary nentina avy tao an-tranon’ny TOMPO ity mpanjaka, ka ny vavahadin’ny mpiambina no nandalovana hanatitra azy ao an-dapany. Rehefa tafapetraka teo amin’ny sezafiandrianana maha mpanjaka azy i Jôasy,
Malagasy Bible 1865
Ary nalainy ny kapiteny sy ny anjolofo sy ny mpiambina mbamin'ny vahoaka rehetra ary nentina nidina avy tao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka teo am-bavahadin'ny mpiambina no nalehany hankao an-tranon'ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'ny mpanjaka izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nalainy ny mpifehy zato sy ny Kariana ary ny mpiambina mbamin’ny vahoaka rehetra dia noentina nidina avy tao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka, ary avy teo am-bavahadin’ny mpiambina no nalehany hankao an-tranon’ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin’ny sezafiandrianan’ny mpanjaka izy.
malagasy
Ary nalainy ny kapiteny sy ny anjolofo sy ny mpiambina mbamin'ny vahoaka rehetra ary nentina nidina avy tao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka teo am-bavahadin'ny mpiambina no nalehany hankao an-tranon'ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'ny mpanjaka izy.Dia nifaly ny vahoaka rehetra, ary nandry fahizay ny tanàna Ary Atalia novonoiny tamin'ny sabatra tao an-tranon'ny mpanjaka.