2 Kings 11:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa i Joseba, zanakavavin’i Jehorama mpanjaka, ary anabavin’i Ahazia, dia naka an’i Joasy, zanak’i Ahazia, ka nanala azy mbamin’ny mpitaiza azy avy teo amin’ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina, ary nitondra azy ho ao amin’ny efitrano toeram-pandriana. Nafenina an’i Atalia izy ka tsy mba voavono.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa i Jôsabà zanaka vavin’i Jôrama mpanjaka, sy anabavin’i Okoziasa naka an’i Jôasa zanak’i Okoziasa kosa, sy nanatsoaka azy teo amin’ny zanak’andriana, izay novonoin’ny olona, ary nametraka azy mbamin’ny mpitaiza azy, tao an’efitrano fitoeram-parafara, ka voaafina tsy hitan’ny mason’i Atalia, ka tsy novonoina izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa i Jôsebà zanakavavin’i Jôrama mpanjaka sady anabavin’i Ahazià dia naka an’i Jôàsy zanakalahin’i Ahazià, ka namonjy azy mbamin’ny mpitaiza azy teo anivon’ireo rahalahiny efa novonoina, ary nitondra azy hankao an’efitrano fandriana ao amin’ny tempoly; nafenin’i Jôsebà an’i Hatalià i Jôasy, ka dia tsy mba voavono ho faty.
Malagasy Bible 1865
Fa Joseba. zanakavavin'i Jehorama mpanjaka ary anabavin'i Ahazia, dia naka an'i Joasy, zanak'i Ahazia, ka namonjy azy mbamin'ny mpitaiza azy avy teo amin'ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina ho ao an-trano fitehirizam-pandriana ary nafeniny an'i Atalia izy, ka dia tsy mba voavono.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa i Joseba, zanakavavin’i Jehorama mpanjaka, ary anabavin’i Ahazia, dia naka an’i Joasy, zanak’i Ahazia, ka nanala azy mbamin’ny mpitaiza azy avy teo amin’ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina, ary nitondra azy ho ao amin’ny efitrano toeram-pandriana. Nafenina an’i Atalia izy ka tsy mba voavono.
malagasy