2 Kings 11:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona fahafito dia nandefa iraka haka ny mpifehy zato teo amin’ny Kariana sy ny mpiambina i Joiada ka nampiditra azy tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Nanao fanekena ho azy ireo izy dia nampianianiny tao amin’ny tranon’NY TOMPO ary nasehony azy ny zanakalahin’ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona fahafito, i Jôiadà naniraka haka ny tompon-jaton’ny Karianina sy ny mpihazakazaka ary nasainy nanatona azy ao an-tranon’i Iaveh. Nanao fanekena tamin’izy ireo izy, ka nony efa nampianiana azy tao an-tranon’i Iaveh izy, dia nasehony azy ity zanaky ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona fahafito dia nampiantso ireo kapiteny mpifehy ny Karianina sy ny miaramila mpiambina hafa i Jôiadà ka nitarika azy nankao an- tranon’ny TOMPO; dia nanaovany fifanekena ireo sady nampianianiny tao an-tranon’ny TOMPO, ka nasehony azy ilay zanakalahin’ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny taona fahafito Joiada naniraka haka ny kapiteny, mpifehy ny anjolofo sy ny mpiambina, dia nampiditra azy tao an-tranon'i Jehovah ary nampanaiky sy nampianiana azy tao an-tranon'i Jehovah, ka nasehony azy ny zanakalahin'ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona fahafito dia nandefa iraka haka ny mpifehy zato teo amin’ny Kariana sy ny mpiambina i Joiada ka nampiditra azy tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Nanao fanekena ho azy ireo izy dia nampianianiny tao amin’ny tranon’NY TOMPO ary nasehony azy ny zanakalahin’ny mpanjaka.
malagasy
Ary tamin'ny taona fahafito Joiada naniraka haka ny kapiteny, mpifehy ny anjolofo sy ny mpiambina, dia nampiditra azy tao an-tranon'i Jehovah ary nampanaiky sy nampianiana azy tao an-tranon'i Jehovah, ka nasehony azy ny zanakalahin'ny mpanjaka.[Heb. Kariana]