2 Kings 11:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hanemitra manodidina ny mpanjaka amim-piadiana ianareo, koa na iza na iza mamaky laharana dia vonoy, ary ho eo akaikin’ny mpanjaka ianareo, na aiza na aiza alehany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hanemitra manodidina ny mpanjaka samy hitam-piadiana avy, ka raha misy miditra ny laharana, dia vonoy ho faty, ary ho eo akaikin’ny mpanjaka ianareo na mivoaka izy na miditra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny miaramila rehetra dia hitam-piadiana avokoa ka hanemitra ny mpanjaka ary hanaraka azy na aiza na aiza alehany. Izay mikasa hanatona ny laharanareo dia hatao maty.
Malagasy Bible 1865
Ary hanemitra manodidina ny mpanjaka ianareo, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza mamaky laharana dia vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na mivoaka na miditra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hanemitra manodidina ny mpanjaka amim-piadiana ianareo, koa na iza na iza mamaky laharana dia vonoy, ary ho eo akaikin’ny mpanjaka ianareo, na aiza na aiza alehany.
malagasy
Ary hanemitra manodidina ny mpanjaka ianareo, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza mamaky laharana dia vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na mivoaka na miditra izy.