2 Kings 11:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanatanteraka izay rehetra nandidian’i Joiada mpisorona ireo mpifehy zato ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin’ny Sabata sy izay niala tamin’ny Sabata ary nankany amin’i Joiada mpisorona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Notanterahin’ny tompon-jato avokoa ny didy nomen’i Jôiadà mpisorona azy. Samy naka ny olom-peheziny avy izy ireo, na ny milatsaka amin’ny fanompoana amin’ny andro sabata, na ny miala amin’ny fanompoana amin’ny andro sabata, dia nankany amin’i Joiadà mpisorona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Araka izay baiko rehetra nomen’i Jôiadà mpisorona no nataon’ireo kapiteny; ka ny tompon’andraikitra tsirairay dia samy namory ny miaramilany avy, na izay niala tamin’ny andro sabata, ary dia nankany amin’i Jôiadà mpisorona izy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny kapiteny dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Joiada mpisorona, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin'ny Sabata sy izay niala tamin'ny Sabata ary nankany amin'i Joiada mpisorona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanatanteraka izay rehetra nandidian’i Joiada mpisorona ireo mpifehy zato ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin’ny Sabata sy izay niala tamin’ny Sabata ary nankany amin’i Joiada mpisorona.
malagasy