2 Kings 12:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hitany fa betsaka ny vola tao am-bata dia niakatra ny mpitantsoratry ny mpanjaka sy ny Mpisoronabe ka nofonosiny ny vola izay hita tao amin’ny tranon’NY TOMPO sady nisainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hitan’izy ireo fa efa misy betsaka ny vola ao am-bata, dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpisorona lehibe hamehy sy hanisa ny vola rehetra izay ao an-tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa hitany fa be ny vola tao am-bata, dia nangonin’ny mpitantsoratry ny mpanjaka sy ny mpisorombe ny vola tao an-tranon’ny TOMPO ka nisainy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitany fa be ny vola tao am-bata, dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpisoronabe, ka nofonosiny ny vola izay hita tao an-tranon'i Jehovah sady nisainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony hitany fa betsaka ny vola tao am-bata dia niakatra ny mpitantsoratry ny mpanjaka sy ny Mpisoronabe ka nofonosiny ny vola izay hita tao amin’ny tranon’NY TOMPO sady nisainy.
malagasy
Ary rehefa hitany fa be ny vola tao am-bata, dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpisoronabe, ka nofonosiny ny vola izay hita tao an-tranon'i Jehovah sady nisainy.