2 Kings 12:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nomeny ny mpandatsa-bato sy ny mpipaika izany mba hamidy hazo sy vato voapaika, hanamboarana ny simba amin’ny tranon’NY TOMPO sy holanina amin’izay fanamboarana rehetra ilaina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny mpandrafitra vato, ny tambato; nanome izany koa izy ireo hividianana hazo amam-bato voapaika, hanamboarana ny banga amin’ny tranon’i Iaveh mbamin’ny lany rehetra hanamafisana ny trano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
mbamin’ny mpandatsa-biriky sy ny mpipai-bato ary koa hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin’ny tranon’ny TOMPO sy hiantohana izay fandaniana hafa rehetra ilaina amin’izany.
Malagasy Bible 1865
sy ho amin'ny mpandatsa-bato sy ny mpipaika, ary hamidy hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin'ny tranon'i Jehovah sy holanina amin'izay rehetra hanamboarana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nomeny ny mpandatsa-bato sy ny mpipaika izany mba hamidy hazo sy vato voapaika, hanamboarana ny simba amin’ny tranon’NY TOMPO sy holanina amin’izay fanamboarana rehetra ilaina.
malagasy
sy ho amin'ny mpandatsa-bato sy ny mpipaika, ary hamidy hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin'ny tranon'i Jehovah sy holanina amin'izay rehetra hanamboarana azy.