2 Kings 12:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Joasy, mpanjakan’ny Joda dia naka ny zavatra rehetra izay nohamasinin’ireo mpanjakan’ny Joda razany, dia i Josafata, i Jehorama ary i Ahazia, mbamin’ny zavatra nohamasinin’ny tenany koa sy ny volamena rehetra hita tao amin’ny efitrano fitahirizana, na ny tao amin’ny tranon’NY TOMPO, na ny tao amin’ny tranon’ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho any amin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama ireo ka lasa niverina i Hazaela fa tsy nankany Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nalain’i Jôasa mpanjakan’i Jodà kosa ny zava-boahasina rehetra izay nohamasinin’ny razany, Jôsafata, Jôrama, Okoziasa mpanjakan’i Jodà, sy izay nohamasinin’ny tenany, mbamin’ny volamena rehetra izay tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka; ka nampanateriny ho an’i Hazaela mpanjakan’i Siria avokoa izany, dia lasa lavitra an’i Jerosalema izy io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nangonin’i Jôasy mpanjakan’i Joda avokoa ny zava-tsarobidy rehetra izay natolony na natolotr’ireo razany mpanjakan’i Joda, dia i Jôsafata sy i Jôrama ary i Ahazià ho an’ny TOMPO, mbamin’ireo volamena napetraka tao amin’ny efitrano firaketan’ny tempoly sy tao an-dapan’ny mpanjaka; ka nampanateriny ho an’i Hazaela izay nisinda tsy nanafika an’i Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Ary Joasy, mpanjakan'ny Joda, naka ny zavatra rehetra izay nohamasinin'ny mpanjakan'ny Joda razany, dia Josafata sy Jehorama sy Ahazia, mbamin'ny zavatra nohamasinin'ny tenany koa sy ny volamena rehetra hita tamin'ny rakitra, na ny tao an-tranon'i Jehovah, na ny tao an-tranon'ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho any amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, izany; ka dia niverina tsy nankany Jerosalema Hazaela.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Joasy, mpanjakan’ny Joda dia naka ny zavatra rehetra izay nohamasinin’ireo mpanjakan’ny Joda razany, dia i Josafata, i Jehorama ary i Ahazia, mbamin’ny zavatra nohamasinin’ny tenany koa sy ny volamena rehetra hita tao amin’ny efitrano fitahirizana, na ny tao amin’ny tranon’NY TOMPO, na ny tao amin’ny tranon’ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho any amin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama ireo ka lasa niverina i Hazaela fa tsy nankany Jerosalema.
malagasy