2 Kings 12:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitsangana ny mpanompon’i Joasy ka nanao tetika fikomiana dia namono azy tao Bety-Milo, izay teo am-pidinana mankany Sila.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nikomy taminy ny mpanompony ary nanao teti-dratsy, dia nasiany tao an-tranon’i Melô amin’ny fidinan’i Selà Jôasa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nioko hanohitra an’i Jôasy ny manamboninahiny; ka ny anankiroa taminy, dia i Jôzabada zanakalahin’i Simehata sy i Jehôzabada zanakalahin’i Sômera no namono azy ho faty tao Bety-Milao iny Jôasy nidina hankany Silà iny. Dia nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviany tao an- Tanànan’i Davida izy; ary i Amatsià zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Malagasy Bible 1865
Ary nitsangana ny mpanompon'i Joasy ka niodina taminy, dia namono azy tao an-trano Milo, ao am-pidinana mankany Sila. Fa Jozakara, zanak'i Simata, sy Jozabada, zanak'i Somera mpanompony namely azy ho faty; dia nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida izy; ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitsangana ny mpanompon’i Joasy ka nanao tetika fikomiana dia namono azy tao Bety-Milo, izay teo am-pidinana mankany Sila.
malagasy
Ary nitsangana ny mpanompon'i Joasy ka niodina taminy, dia namono azy tao an-trano Milo, ao am-pidinana mankany Sila.[Heb. fiarovana]Fa Jozakara, zanak'i Simata, sy Jozabada, zanak'i Somera mpanompony namely azy ho faty; dia nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida izy; ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.