2 Kings 12:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Joasy tamin’ny mpisorona: Ny vola momba ny zava-masina rehetra izay nampidirina tao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia ny volan’ny olona voaisa sy ny vola rehetra izay azo tamin’ny hetra naloan’ny olona ary ny vola rehetra izay noentin’ny olona an-tsitrapo ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Jôasa tamin’ny mpisorona: «Ny volan’ny fitoerana masina rehetra izay aterin’ny olona ao an-tranon’i Iaveh dia ny vola fandoan’ny isan’olona, ny vola avotry ny olona araka ny fanombanana azy avy, ary ny vola rehetra aterin’ny olona samy araka ny fahazotoany avy, ao an-tranon’i Iaveh,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro dia hoy i Jôasy tamin’ireo mpisorona: –Angoninareo izay vola rehetra entina ato an- tranon’ny TOMPO, dia ny vola nandoavan’ny olona ny hetrany na ny vola natolotra an-tsitrapo. Asaivo hangonin’ireo mpandray vola voatendry izany ka hampiasainareo hanamboarana izay hitanareo fa simba amin’ny tempoly.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Joasy tamin'ny mpisorona: Ny vola amin'ny zava-masina rehetra izay nampidirina tao an-tranon'i Jehovah, dia ny volan'ny olona voaisa sy ny vola rehetra izay azo tamin'ny tomban'olona ary ny vola rehetra Izay nentin'ny isan-olona an-tsitrapo ho ao an-tranon'i Jehovah,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Joasy tamin’ny mpisorona: Ny vola momba ny zava-masina rehetra izay nampidirina tao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia ny volan’ny olona voaisa sy ny vola rehetra izay azo tamin’ny hetra naloan’ny olona ary ny vola rehetra izay noentin’ny olona an-tsitrapo ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO,
malagasy