2 Kings 12:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa niantso an’i Joiada mpisorona sy ny mpisorona sasany koa i Joasy mpanjaka ka niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no tsy manamboatra ny simba amin’ny Trano? Koa ankehitriny, aza mandray vola amin’ny olom-pantatrareo intsony ianareo fa omeo hanamboarana ny simba amin’ny Trano ny vola.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka dia niantso an’i Jôiadà mpisorona sy ny mpisorona hafa i Jôasa mpanjaka nilaza tamin’izy ireo hoe: «Nahoana no tsy amboarinareo ny banga amin’ny trano? Koa ankehitriny, aza raisinareo intsony ny vola amin’ny olom-pantatrareo, fa atolory hanamboarana ny banga amin’ny trano.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nampiantso an’i Jôiadà sy ny mpisorona hafa i Jôasy mpanjaka ka nanao taminy hoe: –Nahoana no tsy namboarinareo ny simba tamin’ny tempoly? Noho izany dia tsy mahazo maka vola amin’ny mpandray volanareo intsony ianareo, fa avelao kosa izany hanamboarana ny tempoly.
Malagasy Bible 1865
Ka dia niantso an'i Joiada mpisorona sy ny mpisorona sasany koa Joasy mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no tsy nanamboatra ny simba amin'ny trano? Koa ankehitriny, aza mandray vola amin'ny olom-pantatrareo intsony ianareo, fa omeo hanamboarana ny simba amin'ny trano ny vola.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa niantso an’i Joiada mpisorona sy ny mpisorona sasany koa i Joasy mpanjaka ka niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no tsy manamboatra ny simba amin’ny Trano? Koa ankehitriny, aza mandray vola amin’ny olom-pantatrareo intsony ianareo fa omeo hanamboarana ny simba amin’ny Trano ny vola.
malagasy