2 Kings 13:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona fahatelo amby roapolo nanjakan’i Joasy, zanak’i Ahazia, mpanjakan’ny Joda, no nanombohan’i Joahaza, zanak’i Jeho, nanjaka tamin’ny Israely tany Samaria, ary nanjaka fito amby folo taona izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny faha-23 taona nanjakan’i Jôasa zanak’i Okoziasa mpanjakan’i Jodà no vao nanjaka tamin’i Israely tao Samaria kosa i Jôakaza zanak’i Jehò. Ary 17 taona no nanjakany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny faha-23 taona nanjakan’i Jôasy zanakalahin’i Ahazià mpanjakan’i Joda no tonga mpanjakan’i Israely tany Samaria i Jôahaza zanakalahin’i Jehò; ary naharitra 17 taona no nanjakany.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan'i Joasy, zanak'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Joahaza, zanak'i Jeho, tamin'ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka fito ambin'ny folo taona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona fahatelo amby roapolo nanjakan’i Joasy, zanak’i Ahazia, mpanjakan’ny Joda, no nanombohan’i Joahaza, zanak’i Jeho, nanjaka tamin’ny Israely tany Samaria, ary nanjaka fito amby folo taona izy.
malagasy
[Ny nanjakan'i Joahaza sy Joasy zanany tamin'ny Isiraely, ary ny nahafatesan'i Elisa] Tamin'ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan'i Joasy, zanak'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Joahaza, zanak'i Jeho, tamin'ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka fito ambin'ny folo taona izy.