2 Kings 13:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona fahafito amby telopolo nanjakan’i Joasy, mpanjakan’ny Joda, no nanombohan’i Joasy, zanak’i Joahaza, nanjaka tamin’ny Israely tany Samaria; nanjaka enina amby folo taona izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny faha-37 taona nanjakan’i Jôasa mpanjakan’i Jodà no vao nanjaka tamin’i Israely tany Samaria kosa i Jôasa zanak’i Jôakaza; 16 taona no nanjakany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny faha-37 taona nanjakan’i Jôahaza mpanjakan’i Joda no tonga mpanjakan’i Israely tao Samaria i Jôasy zanakalahin’i Jôahaza; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny taona fahafito amby telo-polo nanjakan'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza, tamin'ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka enina ambin'ny folo taona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona fahafito amby telopolo nanjakan’i Joasy, mpanjakan’ny Joda, no nanombohan’i Joasy, zanak’i Joahaza, nanjaka tamin’ny Israely tany Samaria; nanjaka enina amby folo taona izy.
malagasy
Tamin'ny taona fahafito amby telo-polo nanjakan'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza, tamin'ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka enina ambin'ny folo taona izy.