2 Kings 13:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy izy tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Henjano ny tsipìka! Dia nohenjaniny izany. Dia nametraka ny tanany teo amin’ny tanan’ny mpanjaka i Elisa
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Elisea tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Ataovy ambonin’ny tsipìka ny tananao.» Nony nanao ny tanany ambonin’ny tsipìka izy, dia napetrak’i Elisea teo ambonin’ny tanan’ny mpanjaka ny tanany, ka hoy izy:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy indray i Elisà hoe: –Vohay ny varavarankely atsinanana. Dia novohan’ny mpanjaka izany. Ary hoy koa ny mpaminany hoe: –Raiso dia henjano ny tsipîkanao. Dia nohenjanin’ny mpanjaka ny tsipîka; napetrak’i Elisà teo amin’ny tanan’ny mpanjaka ny tanany ary nobaikoiny izy mba hitifitra. Rehefa nitifitra ny mpanjaka, dia nilazan’ny mpaminany hoe: –Zana-tsipîka manambara ny fandresena omen’ny TOMPO iny, dia fandresena ny tafika sirianina. Eny, hamely ny Sirianina ao Afèka ianao mandra-paharingany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Henjano ny tsipìka. Dia nohenjaniny; ary Elisa nametraka ny tànany teo amin'ny tanan'ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy izy tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Henjano ny tsipìka! Dia nohenjaniny izany. Dia nametraka ny tanany teo amin’ny tanan’ny mpanjaka i Elisa
malagasy
Ary hoy izy tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Henjano ny tsipìka. Dia nohenjaniny; ary Elisa nametraka ny tànany teo amin'ny tanan'ny mpanjaka.