2 Kings 13:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy koa izy: Raiso ny zana-tsipìka! Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Kapohy ny tany! Ary nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy indray i Elisea: «Raiso ny zana-tsipìka.» Dia nandray izy. Ary hoy i Elisea tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Tifiro ny tany», ka nitifitra intelo izy dia nitsahatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Elisà tamin’i Jôasy: –Raiso indray ny zana-tsipîka hafa. Dia noraisin’ny mpanjaka ireo. Ary hoy ny mpaminany taminy: –Kapohy ny tany. Ary nokapohin’ny mpanjaka intelo ny tany, dia nijanona izy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy koa izy: Raiso ny zana-tsipìka. Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Kapohy ny tany. Ary nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy koa izy: Raiso ny zana-tsipìka! Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Kapohy ny tany! Ary nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy.
malagasy
Ary hoy koa izy: Raiso ny zana-tsipìka. Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Kapohy ny tany. Ary nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy.