2 Kings 13:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tezitra taminy ny lehilahin’Andriamanitra ka niteny hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Arameana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Arameana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa tezitra taminy ity olon’Andriamanitra ka nanao taminy hoe; «Tokony ho nitifitra indimy na inenina ianao, ary amin’izany, dia ho namely ny Sirianina mandra-paharingany mihitsy, fa izao dia intelo monja no hamelezanao azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tezitra taminy anefa ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe: –Raha mba nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nahavoa ny Sirianina mandra-paharingany; ankehitriny anefa dia intelo ihany no hahafahanao mamely azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ilay lehilahin'Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syriana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tezitra taminy ny lehilahin’Andriamanitra ka niteny hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Arameana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Arameana.
malagasy