2 Kings 13:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy mpandevina nahita ireo mpihantsy ady ireo ka natsipiny tao am-pasan’i Elisa ny faty haleviny; nefa raha vao nitehika tamin’ny taolan’i Elisa ny fatin-dRalehilahy dia velona izy ka nijoro tamin’ny tongony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy nandevina olona kosa, ka indro tazany ny anankiray tamin’ireny jirika ireny, ka natsipiny tao am-pasan’i Elisea ny fatiny. Fa vao nitehika tamin’ny taolan’i Elisea ny fatin-dralehilahy, dia nody taminy ny ainy, ka nijoro tamin’ny tongony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro, dia nisy olona nandevina fatin-dehilahy ka sendra nahatazana tampoka andiany iray tamin’ireo tontakely. Ary nanipy faingana ny faty tao am-pasan’i Elisà ny mpandevina, dia lasa nandositra. Saingy vao nahakasika ny taolan’i Elisà io faty io, dia velona indray ary nitsangana.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy nandevina olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan'i Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin'ny taolan'i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin'ny tongony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy mpandevina nahita ireo mpihantsy ady ireo ka natsipiny tao am-pasan’i Elisa ny faty haleviny; nefa raha vao nitehika tamin’ny taolan’i Elisa ny fatin-dRalehilahy dia velona izy ka nijoro tamin’ny tongony.
malagasy