2 Kings 13:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa NY TOMPO namindra fo tamin’ny Israely sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba; tsy ta handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Namindra fo tamin’izy ireo anefa i Iaveh ka niantra azy; nitodika azy Izy noho ny fanekeny tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba; tsy te-handringana azy ireo Izy, na hanesotra azy tsy ho eo anatrehany mandrak’ankehitriny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa niantra azy ihany ny TOMPO sady namindrafo taminy noho ny fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba; ka tsy ta handringana azy Izy ary tsy mbola nandroaka azy ho voasesitany lavitra ny fanatrehany.
Malagasy Bible 1865
Fa Jehovah namindra fo taminy sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy ta-handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa NY TOMPO namindra fo tamin’ny Israely sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba; tsy ta handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny Izy.
malagasy