2 Kings 13:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nalain’i Joasy, zanak’i Joahaza, teo an-tanan’i Beny-Hadada, zanak’i Hazaela, indray ireo tanàna izay efa nalain’i Hazaela teo an-tanan’i Joahaza, rain’i Joasy, tamin’ny ady. Intelo no nandresen’i Joasy azy ka azony indray ireo tanànan’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nalain’i Jôasa zanak’i Jôakaza teo an-tanan’i Benhadada zanak’i Hazaela ireo tanàna nalain’i Hazaela tamin’ny adin’izy sy i Jôakaza rainy. Namely azy intelo i Jôasa dia azony indray ny tanànan’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay dia norombahin’i Jôasy zanakalahin’i Jôahaza teo an-tanan’i Bena-Hadada zanakalahin’i Hazaela indray ny tanàna izay efa nalain’i Hazaela teo an-tanan’i Jôahaza rain’i Jôasy. Intelo no nandresen’i Jôasy an’i Bena-Hadada, ka dia azony indray ny tanànan’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary Joasy, zanak'i Joahaza, naka indray teo an-tànan'i Beni-hadada, zanak'i Hazaela, ny tanàna izay efa nalain'i Hazaela teo an-tànan'i Joahaza, rain'i Joasy, tamin'ny ady. Intelo no nandresen'i Joasy azy, ka dia azony indray ny tanànan'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nalain’i Joasy, zanak’i Joahaza, teo an-tanan’i Beny-Hadada, zanak’i Hazaela, indray ireo tanàna izay efa nalain’i Hazaela teo an-tanan’i Joahaza, rain’i Joasy, tamin’ny ady. Intelo no nandresen’i Joasy azy ka azony indray ireo tanànan’ny Israely.
malagasy