2 Kings 13:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka nandritra ny andro dia natolony teo an-tanan’i Hazaela, mpanjakan’i Arama, sy teo an-tanan’i Beny-Hadada, zanak’i Hazaela, izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh dia natolony teo an-tanan’i Hazaela mpanjakan’i Siria sy teo an-tanan’i Benhadada zanak’i Hazaela mandrakariva izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa dia tezitra tamin’ny Israelita ny TOMPO, ka natolony an’i Hazaela mpanjakan’i Siria sy an’i Beny-Hadada zanany izy nandritra ny fotoana ela.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fahatezeran'i Jehovah nirehitra tamin'ny Isiraely, ka dia natolony teo an-tanan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, sy teo an-tanan'i Beni-hadada, zanak'i Hazaela, mandrakariva izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka nandritra ny andro dia natolony teo an-tanan’i Hazaela, mpanjakan’i Arama, sy teo an-tanan’i Beny-Hadada, zanak’i Hazaela, izy.
malagasy
Ary ny fahatezeran'i Jehovah nirehitra tamin'ny Isiraely, ka dia natolony teo an-tanan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, sy teo an-tanan'i Beni-hadada, zanak'i Hazaela, mandrakariva izy.