2 Kings 13:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO nanome mpamonjy ho amin’ny Israely ka afaka tamin’ny tanan’ny Arameana izy ary nonina tao an-dainy toy ny teo aloha ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nanome mpamonjy ho an’i Israely i Iaveh. Nony afaka tamin’ny tanan’ny Sirianina ny zanak’i Israely dia nonina teo amin’ny lainy toy ny taloha indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary ny TOMPO kosa nanome mpamonjy izay hanafaka ny Israelita amin’ny fifehezan’ny Sirianina. Dia nandry feizay toy ny teo aloha ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah nanome mpamonjy ho amin'ny Isiraely, ka dia afaka tamin'ny tanan'ny Syriana izy; ary nandry fahizay toy ny teo aloha ny Zanak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO nanome mpamonjy ho amin’ny Israely ka afaka tamin’ny tanan’ny Arameana izy ary nonina tao an-dainy toy ny teo aloha ny Zanak’Israely.
malagasy
Ary Jehovah nanome mpamonjy ho amin'ny Isiraely, ka dia afaka tamin'ny tanan'ny Syriana izy; ary nandry fahizay toy ny teo aloha ny Zanak'Isiraely.