2 Kings 13:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa tsy niala tamin’ny fahotan’ny taranak’i Jeroboama, izay nampanotany ny Israely, izy fa nandeha tamin’izany ihany, ary na dia ilay tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha aza dia mbola tao Samaria ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanefa izy ireo tsy mba niala tamin’ny fahotan’ny tranon’i Jerôbôama, izay nampanota an’i Israely, fa nizotra tamin’izany, ary na ny aseraha aza, mbola nitsangana tao Samaria.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Saingy tsy nialany fa nizorany hatrany ny fahotana izay nitarihan’i Jerôbohama mianakavy ireo Israelita; ary na dia ilay tsatokazo fanajana an’i Aserà aza dia mbola nijoro tao Samaria ihany.
Malagasy Bible 1865
Kanefa tsy niala tamin'ny fahotan'ny taranak'i Jeroboama, izay nampanotany ny Isiraely, izy, fa nandeha tamin'izany ihany, ary na dia ilay Aseraha aza dia mbola tao Samaria ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa tsy niala tamin’ny fahotan’ny taranak’i Jeroboama, izay nampanotany ny Israely, izy fa nandeha tamin’izany ihany, ary na dia ilay tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha* aza dia mbola tao Samaria ihany.
malagasy
Kanefa tsy niala tamin'ny fahotan'ny taranak'i Jeroboama, izay nampanotany ny Isiraely, izy, fa nandeha tamin'izany ihany, ary na dia ilay Aseraha aza dia mbola tao Samaria ihany.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]