2 Kings 13:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nisy sisa navelan’NY TOMPO ho an’i Joahaza afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimampolo sy kalesy fitondra miady folo ary miaramila an-tongotra iray alina fotsiny; fa ny mpanjakan’i Arama dia efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izao ihany no vahoaka àry fiadiana navelan’i Iaveh ho an’i Jôakaza: mpitaingin-tsoavaly dimampolo, kalesy folo, miaramila an-tongotra iray alina, fa naringan’ny mpanjakan’i Siria izy ireo, ka nampanjariany toy ny vovoka fanitsaky ny tongotra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny farany ny tafik’i Jôahaza dia tsy nisy afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimampolo sy kalesy folo ary miaramila mpandeha an-tongotra antokony folo; fa maro taminy no efa naringan’ny mpanjakan’i Siria sy nataony ho toy ny vovoka hohitsahin’ny olona.
Malagasy Bible 1865
Fa tsy nisy sisa navelan'i Jehovah ho an'i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan'i Syria efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nisy sisa navelan’NY TOMPO ho an’i Joahaza afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimampolo sy kalesy fitondra miady folo ary miaramila an-tongotra iray alina fotsiny; fa ny mpanjakan’i Arama dia efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.
malagasy