2 Kings 14:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa namely an’i Edoma tokoa ianao ka nirehareha ny fonao. Aoka hahafa-po anao izany voninahitra izany ka mitoera ao an-tranonao ihany. Fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ny Joda koa ianao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandresy ny Edômita marina ianao, ka dia nisandratra ny fonao. Mireharehà ary mijanòna any aminao. Nahoana ianao no dia mihitsoka amin’ny loza; ka ho lavo ianao, dia ny tenanao sy i Jodà miaraka aminao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ihany i Jôasy: «Satria efa resinao ny Edômita, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao izany voninahitra izany ka mitoera ao an-tranonao ihany! Fa nahoana ianao no mitady loza izay hahavoa ny tenanao sy ny tafik’i Joda manontolo?»
Malagasy Bible 1865
Efa namely an'i Edoma tokoa ianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa ianao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa namely an’i Edoma tokoa ianao ka nirehareha ny fonao. Aoka hahafa-po anao izany voninahitra izany ka mitoera ao an-tranonao ihany. Fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ny Joda koa ianao?
malagasy