2 Kings 14:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Amazia, mpanjakan’ny Joda, zanak’i Joasy, zanak’i Ahazia dia nosamborin’i Joasy, mpanjakan’ny Israely, tany Bety-Semesy. Dia nankany Jerosalema i Joasy ary nandravany efajato hakiho ny mandany, hatreo amin’ny vavahadin’i Efraima ka hatrany amin’ny vavahady eo amin’ny zorony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Jôasa mpanjakan’i Israely nisambotra an’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà, zanak’i Jôasa zanak’i Okoziasa, tao Bethsamesa; nankany Jerosalema izy ka nahabanga ny mandan’i Jerosalema efajato hakiho, hatramin’ny vavahadin’i Efraima ka hatreo am-bavahady an-jorony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao Bety-Semesy no voasambotr’i Jôasy mpanjakan’i Israely i Amatsià mpanjakan’i Joda sy zanakalahin’i Jôasy ary zafikelin’i Ahazià; ary dia nankany Jerosalema i Jôasy ka nandravany tokony ho roanjato metatra ny mandan’ny tanàna teo anelanelan’ny vavahadin’i Efraîma sy ny vavahadin’ny Zoro.
Malagasy Bible 1865
Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, zanak'i Joasy, zanak'i Ahazia, nosamborin'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely tany Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka nandravany efa-jato hakiho ny màndany hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady an-jorony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Amazia, mpanjakan’ny Joda, zanak’i Joasy, zanak’i Ahazia dia nosamborin’i Joasy, mpanjakan’ny Israely, tany Bety-Semesy. Dia nankany Jerosalema i Joasy ary nandravany efajato hakiho* ny mandany, hatreo amin’ny vavahadin’i Efraima ka hatrany amin’ny vavahady eo amin’ny zorony.
malagasy
Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, zanak'i Joasy, zanak'i Ahazia, nosamborin'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely tany Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka nandravany efa-jato hakiho ny màndany hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady an-jorony.