2 Kings 14:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona fahadimy amby folo nanjakan’i Amazia, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Joda, no nanomboka nanjaka tany Samaria i Jeroboama, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Israely. Nanjaka iraika amby efapolo taona izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà no nanjakan’i Jerôbôama zanak’i Jôasa mpanjakan’i Israely tany Samaria. Nanjaka 41 taona izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Amatsià, zanakalahin’i Jôasy sady mpanjakan’i Joda, no tonga mpanjakan’i Israely tao Samaria i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy, ary naharitra 41 taona no nanjakany tao.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, tany Samaria, ary nanjaka iraika amby efa-polo taona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona fahadimy amby folo nanjakan’i Amazia, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Joda, no nanomboka nanjaka tany Samaria i Jeroboama, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Israely. Nanjaka iraika amby efapolo taona izy.
malagasy
[Ny nanjakan'i Jeroboama II tamin'ny Isiraely sy ny nampodiany ny voninahitry ny fanjakana ho tahaka ny teo] Tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, tany Samaria, ary nanjaka iraika amby efa-polo taona izy.