2 Kings 14:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
NY TOMPO anefa tsy nilaza fa hamono ny anaran’ny Israely tsy ho eo ambanin’ny lanitra. Fa ny tanan’i Jeroboama, zanak’i Joasy, no noentiny namonjy azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy mbola naraikitr’i Iaveh anefa ny hamono ny anaran’i Israely eo ambanin’ny lanitra, ka ny tanan’i Jerôbôama zanak’i Jôasa no namonjen’i Iaveh azy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy mbola nilaza ny hamono ny anaran’i Israely tsy ho eo ambanin’ny lanitra anefa ny TOMPO; koa dia tamin’ny alalan’i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy no namonjeny azy.
Malagasy Bible 1865
Fa tsy mba nolazain'i Jehovah fa hovonoiny tsy ho eo ambanin'ny lanitra ny anaran'ny Isiraely; fa ny tànan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, no nentiny namonjy azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
NY TOMPO anefa tsy nilaza fa hamono ny anaran’ny Israely tsy ho eo ambanin’ny lanitra. Fa ny tanan’i Jeroboama, zanak’i Joasy, no noentiny namonjy azy.
malagasy
Fa tsy mba nolazain'i Jehovah fa hovonoiny tsy ho eo ambanin'ny lanitra ny anaran'ny Isiraely; fa ny tànan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, no nentiny namonjy azy.