2 Kings 14:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny zanak’ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalànan’i Mosesy, izay nandidian’NY TOMPO hoe: Ny ray dia tsy hovonoina noho ny ataon’ny zanany, ary ny zanaka tsy hovonoina noho ny ataon’ny rainy; fa samy hovonoina noho ny fahotany avy ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa tsy novonoiny ny zanak’ireo mpamono, araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàn’i Môizy, izay misy ny didy nomen’i Iaveh izao: «Ny ray tsy ho faty ho solon-janany, ny zanaka tsy ho faty ho solon-drainy, fa samy vonoina noho ny fahotany ihany avy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa ny zanakalahin’ireto mpamono an’i Jôasy dia tsy mba novonoin’i Amatsià ho faty, fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalànan’i Mosesy; ao manko no nandidian’ny TOMPO hoe: «Ny ray aman-dreny tsy hatao maty noho ny fahotan-janany, na ny zanaka noho ny fahotan’ny ray aman-dreny, fa ny olona dia hatao maty noho ny fahotan’ny tenany ihany ».
Malagasy Bible 1865
Fa ny zanak'ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny zanak’ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalànan’i Mosesy, izay nandidian’NY TOMPO hoe: Ny ray dia tsy hovonoina noho ny ataon’ny zanany, ary ny zanaka tsy hovonoina noho ny ataon’ny rainy; fa samy hovonoina noho ny fahotany avy ny olona.
malagasy