2 Kings 15:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Saloma, zanak’i Jabesy, dia nanjaka tamin’ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan’i Ozia, mpanjakan’ny Joda; nanjaka tany Samaria iray volana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faha-39 nanjakan’i Oziasa mpanjakan’i Jodà no vao tonga mpanjaka kosa i Seloma zanak’i Jabesa, ary iray volana no nanjakany tao Samaria.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona faha-39 nanjakan’i Hazarià tamin’i Joda no tonga mpanjakan’i Israely i Saloma zanakalahin’i Jabesa; ary iray volana ihany no nanjakany tao Samaria.
Malagasy Bible 1865
Ary Saloma, zanak'i Jabesy, dia vao nanjaka tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka andro iray volana tany Samaria izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Saloma, zanak’i Jabesy, dia nanjaka tamin’ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan’i Ozia, mpanjakan’ny Joda; nanjaka tany Samaria iray volana izy.
malagasy
Ary Saloma, zanak'i Jabesy, dia vao nanjaka tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka andro iray volana tany Samaria izy.