2 Kings 15:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izay i Menahema dia namely an’i Tifsa sy izay rehetra tao mbamin’ny faritaniny nanomboka hatrany Tirza, satria tsy namoha vavahady azy i Tifsa ka nasiany, ary notatahany ny kibon’izay bevohoka rehetra tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany, i Manahema dia niala tao Tersà ary namely an’i Tapsà sy ny mponina ao aminy mbamin’ny faritaniny; noho izy tsy namoha vavahady azy, no namelezany azy, ary notatahany ny kibon’ny vehivavy bevohoka rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay no niala tao Tiritsà i Menahema ka nanafika ny tanànan’i Tifsa, ary nandringana ny mponina tao sy nandrava ny faritaniny manontolo. Rehefa misy tanàna tsy amohana vavahady an’i Menahema, dia tafihiny; ary tatahany koa ny kibon’ny vehivavy bevohòka rehetra ao.
Malagasy Bible 1865
Tamin'izany Menahema dia niala tany Tirza ka namely an'i Tifsa mbamin'izay rehetra tao hatramin'ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao notatahany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izay i Menahema dia namely an’i Tifsa sy izay rehetra tao mbamin’ny faritaniny nanomboka hatrany Tirza, satria tsy namoha vavahady azy i Tifsa ka nasiany, ary notatahany ny kibon’izay bevohoka rehetra tao.
malagasy