2 Kings 15:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Pola, mpanjakan’i Asiria dia avy hananika ny tany; ary i Menahema dia nanome talenta volafotsy arivo an’i Pola, mba hanohana azy izy ka hampitoetra ny fanjakana eo an-tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tongan’i Fola mpanjakan’i Asiria, ny tany, ary nomen’i Manahema talenta volafotsy arivo i Fola mba hamonjy azy sy hanamafy ny fanjakana eo an-tanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niditra an-keriny tao amin’ny tanin’i Israely i Pola mpanjakan’i Asiria; ka nomen’i Menahema volafotsy telopolo taonina izy mba hanampiany azy hanamafy orina ny fahefàm-panjakany.
Malagasy Bible 1865
Ary Pola, mpanjakan'i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an'i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan'i Menahema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Pola, mpanjakan’i Asiria dia avy hananika ny tany; ary i Menahema dia nanome talenta* volafotsy arivo an’i Pola, mba hanohana azy izy ka hampitoetra ny fanjakana eo an-tanany.
malagasy
Ary Pola, mpanjakan'i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an'i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan'i Menahema.