2 Kings 15:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nampandoavin’i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin’ny Israely, dia sekela volafotsy dimampolo avy isan’olona, mba homeny ny mpanjakan’i Asiria. Dia lasa niverina ny mpanjakan’i Asiria fa tsy nijanona teo amin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Israely, dia ny mpanan-karem-be rehetra, no nampandoavin’i Manahema izany vola izany, dimampolo sikla avy, homeny ny mpanjakan’i Asiria. Ka dia niverina ny mpanjakan’i Asiria, fa tsy niato teo amin’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mba hahazoana izany volafotsy izany, dia nampandoavin’i Menahema hetra ny mpanankarena rehetra tany Israely, dia sekela volafotsy dimampolo avy mba homena ny mpanjakan’i Asiria. Rehefa nandray izany izy, dia niverina nody fa tsy nijanona teo amin’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Ary nampandoavin'i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin'ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan'i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan'i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nampandoavin’i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin’ny Israely, dia sekela volafotsy dimampolo avy isan’olona, mba homeny ny mpanjakan’i Asiria. Dia lasa niverina ny mpanjakan’i Asiria fa tsy nijanona teo amin’ny tany.
malagasy