2 Kings 15:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona fahadimampolo nanjakan’i Azaria, mpanjakan’ny Joda, no nanomboka nanjaka tamin’ny Israely tao Samaria i Pekahia, zanak’i Menahema, ary roa taona no nanjakany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faha-50 nanjakan’i Azariasa mpanjakan’i Jodà, no vao nanjakan’i Faseià zanak’i Manahema tamin’i Israely tao Samaria kosa. Roa taona no nanjakany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona fahadimampolo nanjakan’i Hazarià tamin’i Joda no tonga mpanjakan’i Israely tao Samaria i Pekahià zanakalahin’i Menahema; ary roa taona ihany no nanjakany tao.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny taona fahadimam-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Pekahia, zanak'i Menahema, tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona fahadimampolo nanjakan’i Azaria, mpanjakan’ny Joda, no nanomboka nanjaka tamin’ny Israely tao Samaria i Pekahia, zanak’i Menahema, ary roa taona no nanjakany.
malagasy
Tamin'ny taona fahadimam-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Pekahia, zanak'i Menahema, tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona izy.