2 Kings 15:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Peka, zanak’i Remalia, lefiny, dia nanao tetika fikomiana taminy ka namely an’i Pekahia mbamin’i Argoba sy i Aria tao Samaria, tao amin’ny tilikambo-mandan’ny lapa; nisy olona dimampolo lahy avy any Gileada niaraka tamin’i Peka. Koa namono an’i Pekahia i Peka dia nanjaka nandimby azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nioko taminy i Faseà, zanak’i Romeliasa, manamboninahitra lefiny, ary namono azy mbamin’i Argoba sy i Arie tao Samaria, tao amin’ny trano avon’ny tranon’ny mpanjaka, ary nisy 50 lahy tamin’ny taranaky ny Galaadita nomba azy. Namono an’i Faseià izy, dia nanjaka nandimby azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nikomy tamin’i Pekahià i Peka dekàny sady zanakalahin’i Remalià, ka nanafika azy mbamin’i Argôba sy Aria tao amin’ny tilikambon’ny tranon’ny mpanjaka; tamin’izay i Peka dia nombàn’ny vatan-dehilahy dimampolo taranaky ny Gilehadita; rehefa avy namono an’i Pekahià ho faty izy, dia nanjaka nandimby azy.
Malagasy Bible 1865
Ary Peka, zanak'i Remalia, lefiny, dia nikomy taminy ka namely an'i Pekahia mbamin'i Argoba sy Aria teo Samaria, tao amin'ny trano-avo amin'ny lapa, ary teo amin'Peka nisy olona dimam-polo lahy tamin'ny taranak'i Gileada; koa namono azy izy, dia nanjaka nandimby azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Peka, zanak’i Remalia, lefiny, dia nanao tetika fikomiana taminy ka namely an’i Pekahia mbamin’i Argoba sy i Aria tao Samaria, tao amin’ny tilikambo-mandan’ny lapa; nisy olona dimampolo lahy avy any Gileada niaraka tamin’i Peka. Koa namono an’i Pekahia i Peka dia nanjaka nandimby azy.
malagasy