2 Kings 15:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tantaran’i Pekahia sisa mbamin’izay rehetra nataony, indro, voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny sisa tamin’ny asan’i Faseià mbamin’izay rehetra nataony, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sisa amin’ny tantaran’i Pekahià ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tantaran'i Pekahia sisa mbamin'izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tantaran’i Pekahia sisa mbamin’izay rehetra nataony, indro, voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely izany.
malagasy
Ary ny tantaran'i Pekahia sisa mbamin'izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.