2 Kings 15:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andron’i Peka, mpanjakan’ny Israely, dia tonga i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria, ka nahazo an’Iona sy i Abela-Bety-Maka, i Janoa, i Kadesy, i Hazora, i Gileada ary i Galilia, dia ny tanin’ny Naftaly manontolo; izy no nandefa ny olona ho babo tany Asiria.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny andron’i Faseà mpanjakan’i Israely no nahatongavan’i Teglaty-Falasara mpanjakan’i Asiria sy nahazoan’io an’i Ajôna, i Abela-Bety-Maakà, i Janôe, i Kedesa, Asôra, i Galaada ary i Galilea, dia ny tanin’i Neftalì rehetra, sady nentiny ho babo tany Asiria koa ny mponina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro nanjakan’i Peka tamin’i Israely no nahatongavan’i Tiglata-Pilesera mpanjakan’i Asiria haka ny tanànan’i Hiôna sy i Abela-Bety-Mahakà mbamin’i Janôka sy i Kedesa ary i Hatsôra; nalainy koa i Gilehada sy i Galilea mbamin’ny tanin’i Naftalỳ manontolo, ary dia nataony sesitany tany Asiria ny mponin’ireo.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny andron'i Peka, mpanjakan'ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, ka nahafaka an'Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin'ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andron’i Peka, mpanjakan’ny Israely, dia tonga i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria, ka nahazo an’Iona sy i Abela-Bety-Maka, i Janoa, i Kadesy, i Hazora, i Gileada ary i Galilia, dia ny tanin’ny Naftaly manontolo; izy no nandefa ny olona ho babo tany Asiria.
malagasy